Ilaina ny manao tomban’ezaka hoamin’ny ho avy araky ny filazan’ny manampahaizana ara-toekarena malagasy iray nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny amin’ny Anjery Manontolo omaly. Maro ireo mpianatra teny amin’ny ambaratonga ambony no nanatrika ity famelaberarana nataon’ilay manampahaizana malagasy ity. Tao aorian’ny famelabelaran-kevitra dia nisy ireo mpianatra nanontanianay mikasika ny fahitany ny hoavin’i Madagasikara afaka 10 taona. Na dia misy aza ireo manantena, dia saika manahy avokoa ny akamaroany. Indreto ny santionany amin’ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo.

Mbolatiana, mpianatra manomana ny DEA. Ho azy dia ho sarotra ihany ny fiainana hiandry ny malagasy afaka 10 taona.
• Madagascar Tribune : Ahoana ny faminavinanao ny zava-misy eto Madagasikara afaka 10 taona ?
– Mbolatiana : « Raha ny resaka tontolo iainana ohatra dia matahotra ihany aho amin’ireto fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto amintsika ireto. Misy fiantraikany eo amin’ny tontolo hiainana ny fisian’ireo fitrandrahana harena ankibon’ny tany ireo. Ka raha afaka 10 taona izany, mety efa betsaka ny zavatra simba. »
• Raha ny resaka toe-karena indray dia manana fanantenana ve ianao ny hahatafarina an’i Madagasikara afaka 10 taona ?
– « Sarotra amiko ny tena hametraka fanantenana raha ny zava-misy ankehitriny. Ohatry ny betsaka ihany ny mampiahiahy. »
• Raha ny fiaraha-monina indray, mety hanao ahoana ny fahitanao azy afaka 10 taona ?
– « Ohatry ny manimba ny fiaraha-monina malagasy ny fahantrana. Sepotra amin’ny fitadiavam-bola ny ray aman-dreny dia manadino ny fitaizana ireo taranany. Mety hikorontana ny fiaraha-monina raha mitohy izao fahantrana izao. »

Nivo, mpianatra manomana ny DEA. Ho azy dia misy ny fanantenana fa miankina amin’ny fihetsiky ny tsirairay ny fivoaran’ny zava-misy ankehitriny.
• Madagascar Tribune : Ahoana ny faminavinanao ny mety hoavin’ny tontolo iainana eto Madagasikara afaka 10 taona ?
– Nivo : « Io miankina ny fihetsika ataon’ny tsirairay ihany. Raha samy miezaka hanatsara sy hiaro ny tontolo iainana ny tsirairay dia hihatsara ny tontolo iainana. Raha ny mifanohitra amin’izany kosa no zava-misy dia tsy tokony ho gaga isika raha ho potika ny tontolo iainana afaka 10 taona. »
• Ary ahoana kosa ny vinavinanao mikasika ny toekarena eto Madagasikara afaka 10 taona ?
– « Io mbola haveriko ihany, miankina amin’ny fandraisana anjaran’ny tsirairay. Raha samy miezaka dia misy ny fanantenana, fa raha samy miandry dia ho potika ny firenena. »
• Ary ny mety ho firafitry ny fiaraha-monina malagasy afaka 10 taona, ahoana ny mba vinavinanao ?
– « Tena ho sarotra. Misy ihany ny fanantenana nefa sarotra ny tena haminavina marina. »

Fabrice, mpianatra manomana DEA ihany koa. Ho azy dia maizina ihany ny hoavin’ny Malagasy raha izao no mitohy.
• Madagascar Tribune : Ahoana ny faminavinanao ny tontolo hiainana mbola misy eto Madagasikara afaka 10 taona ?
– Fabrice : « Tena mampanahy be ahy ny fitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Tena hiteraka fahavoazana hoan’ny tontolo iainana ny fitrandrahana ireo harena akibon’ny tany ireo. »
• Ahoana kosa ny vinavinao mikasika ny hoavy ara-toekarena eto Madagasikara afaka 10 taona ?
– « Izao manjaka ny vahiny, ary i Madagasikara manohy mitrosa foana. Rehefa mandeha any amin’ireny toerana misy harena ankibon’ny tany ireny ankehitriny dia maro ireo vahiny no manjakazaka. Ka noho izany dia mety hitombo ihany ny fahantran’ny malagasy. »
• Ahoana kosa ny ho firafitry ny fiaraha-monina malagasy afaka 10 taona ?
– « Tena sarotra ny hanantena hoavy mamirapiratra raha izao no mitohy. »
Nangonin’i Manjakahery