Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 09h42
 

Malagasy

Akon’ny fampielezan-kevitra

Mbola TIM ihany i Zo Andriantsilavo

jeudi 13 septembre 2007 | Naivo kely |  370 visites 

Tsy midongy toerana fa ny fitsipiky ny antoko no tsy maintsy arahina, ka diso, ny fihevitry ny hafa fa nitsipa-doha laka-nitana ny tenako hoy i Zo Andriatsilavo, depiote tao amin’ny firaisana teo aloha.Tetsy Madera Namontana no nilazany io omaly tolakandro, ary nanomezany tso-drano ireo rahalahiny mpiray antoko aminy ao amin’n’i TIM, mba ho tafita amin’ity fifidianana ity.

Vory lanona ny vahoaka teny amin’io faritry ny boriborin-tany faha-efatra io omaly nanatrika ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida Benjamin Andriamparany Radavidson, izay tsy niova ny foto-keviny fa hanafaka ny gejan’ny fahantran’ny vahoaka ao amin’ity boroborin-tany faha-efatra ity, ka ny fahaizana mandrindra ny lalàna ho tanterahin’ny mpanan-tanteraka no zava-dehibe.

Ny solotenan’ny mponina no nilaza fa 90% ny vato manan-kery no tsy maintsy ho ezahina ho azon’ity kandida atolotry ny TIM ity sy ny ekipany.