Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Hevitra

Mbola mety ho tafarina ve isika ?

lundi 9 juin 2008 |  557 visites 

Manomboka anio dia harahanao eto ny vokatry ny fandinihana nataon’ny manampahaizana iray izay efa masoivohontsika tany ivelany tamin’ny fotoan’androny.

Andian-dahatsoratra mitohitohyy no ifanesy eto izany hanampy antsika amin’ny fandinihana ny fianam-pirenena. Mety misy mahatsiaro fa efa namaky azy taona vitsivitsy lasa izay saingy tamin’ny gazety hafa. Havoakan’i Madagascar Tribune ho anao indray izy ity rehefa nahazo ny alalana avy amin’ny mpanoratra. Marihina fa tamin’ny taona 1997, volana febroary no nanoratany azy ity.

Raha manaraka ny toe-draharaha nandritra ny taona maromaro isika dia tsy misy izay tsy mahatsapa fa mihazakazaka mihitsy ny fiovan’ny tontolo iainana na eto Madagasikara na any ivelany.

 Mivava ny Firenena...
Raha ny eto an-toerana no atao indray topimaso dia mivandravandra fa :

 misy karazan’olona vitsivitsy lasa mpanefoefo tampoka ary miaina toy ireo
mpanankarena any amin’ny tany mandroso rehetra. Azo lazaina fa raha Malagasy ny endriny dia tsy misy intsony ny maha-Malagasy azy na amin’ny fitondra tenany, na amin’ny fomba fisainany, ny fitaizana na ny fampianarana ny zanany eny fa na dia amin’ny fomba fiteniny aza. Ireo vitsy an’isa ireo (tsy mihoatra ny 10% ny mponina) no mitavana ny 45% ny fananam-pirenana ary ny vahiny no mitavana ny 45% ambiny , ny 10% eo ho eo izany sisa no anjaran’ny Malagasy miisa 14.000.000. Matetika dia mpiray tsikombakomba ny mpanana, tompon-tany, sy ireo vahiny satria moa ny vahiny no mampidi-bola ary ny tera-tany kosa ny manampahefana miaro azy ireo rehefa tsy ara-dalàna ny ataony. Ireo vahiny ihany koa no mamatsi-vola ny mpitondra rehefa tonga ny fifidianana, sns... Azo lazaina fa tafaray ny tia sy ny manina ary mifandray tendro ny harena sy ny fahefana. Ireo vitsy an-isa ireo no mampiasa ny fitaovana ari-fomba rehetra sy mampiroborobo ireo tranom-bahiny mivarotra fitaovana mifanaraka amin’ny toetr’andro.

 Ny sarabambe-bahoaka kosa dia mizotra any amin’ny fivarotana « friperies » sy ny magazai-tsinoa ireny.

Ary raha dinihina dia tsy mahagaga raha miroborobo eto ny Sinoa satria mifanentana amin’ny fahantran’ny mponina ny entana amidiny. Mazava izany fa dia efa mizara roa mihitsy ny fiainan’ny tompontany ary dia mifanaraka amin’izany koa ny tolotra ho an’ny mpanjifa. Na eo amin’ny sehatra ny varotra aza dia mivava ny firenena.

Mbola hitohy

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}