Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Mbola miandry

jeudi 27 décembre 2007 | Naivo kely |  510 visites 

Hivalona tsy ho ela ny taona 2007 izay taona heverina fa hanombohan’ny fananganana ny rindrina sy ny tafo ao anatin’ny 5 taona manaraka hitondran’ny filoha amperin’asa ny tany sy ny fanjakana. Mandeha ny ora sy ny fotoana satria vidiana lafo ny iray segaondra, ary taona efatra indray sisa hananana amin’ity dimy taona manaraka ity. Samy namisavisa avokoa ny rehetra hoe manomboka ve io fananganana ny rindrina io sa mbola mampiofana ny mpanao trano no natao ? Ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratonga dia tanteraka toy ny fifidianana isan-tsokajiny izay iaingan’ny fampandrosoana eny ifotony hifanaraka amin’ny MAP. Andro vitsy sisa isaina dia hitsena ny taona 2008 isika ary handinika ny mety ho avin’ny firenena sy ny isan-tokantrano, ary indrindra ny isam-batan’olona. Tsy hisy intsony ny fialana bala amin’ny mpitondra ny mety tsy ahatanterahiny ny Programan’asany natao tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny, satria ny fahefana feno no eo am-pelan-tanany, ary ny mpanohitra heverina fa sakana hatramin’izay, io hita io ny fahalemeny. Enga anie mba ho taona hitarafana ilay rindrina mitsangana io, fa tsy sanatria ambara indray fa mbola miandry kely ianareo vahoaka. Tsy hanantena kosa isika ilay 4L isan-tokan-trano, fa fara-faharatsiny mba hitodika ho an’ny isam-baravarana ny tara-masoandro hitondra ilay tsirim-panantenana amin’izao fahantrana miorim-paka amin’ny malagasy izao. Sa efa mahazatra antsika ny omena fampanantenana lava izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}