Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Otrikafo

Mbola omena ny vahiny ve ny tany ?

mardi 11 mars 2008 | Naivo kely |  454 visites 

Tsy ankasitrahan’ny « Otrikafo » tarihan’ingahy Rajaonah ny fanomezana tany ho an’ny vahiny. Manoloana ny fifanarahana ny hanomezana tany hambolen’ny vahiny vary sy voamaina any amin’iny tapany atsinanan’ny nosy iny nanehoan’ny Otriakfo ny heviny indray. Nahoana no mbola vahiny no omena sehatra hamokatra eto ? Firy ny Malagasy nangataka tany ho volena nefa toa voarirariana hatrany ? « Hita fa mbola miakin-doha amin’ny vahiny isika », hoy ny Otrikafo, « ka tsy azo ekena ny toy izao ». Io fiakinan-doha amin’ny vahiny io no mahatonga ity fikambanana ity hiomana handray ny fahefana.

Ny ” Otrikafo ” dia miaraka amin’ny vahoaka, ary « tsy mbola nisy fanjakana tafapetraka tamin’ny alalan’ny latsa-bato teto, fa nisy hatrany ny gidragidra », hoy ingahy Rajaonah. Midika io fa rehefa tonga izay fihetseha-bahoaka izay, dia tsy hiamboha adidy amin’ny vahoaka ny « Otrikafo ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}