Mandindona ny fanesorana ireo tompon’andraikitra ao Tsimbazaza. Miahiahy ny amin’ny toerany ireo olona manodidina an’i Andry Rajoelina, ben’ny tanàna amin’izao fotoana izao. Hisy mantsy ny fanadiovana hataony ato ho ato. Ho voahilika manokana ireo olona izay hita fa tena nampikatso ny asa teo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Voakasika mivantana amin’izany ireo olona izay nantsoin’ny ben’ny tanàna hiara-hiasa taminy tao amin’ny kabinetrany.
Hisy amin’ireo lefitry ny ben’ny tanàna ihany koa hiongotra eo amin’ny toerany. Hitohy hatrany amin’ireo tale isaky ny sampan-draharaha ao amin’ny kaominina ny fanadiovana. Ho voahilika amin’ny toerany ihany koa ny sasany amin’ireo delegen’ny boriborintany. Efa misy ihany anarana mandehandeha saingy mbola mijanona an-dalantsara fotsiny izany.
Isan’izany ny lefitry ny ben’ny tanàna sy ny tale maromaro, ny delegen’ny boriborintany. Maro amin’ireo sefo fokontany 192 eto an-drenivohitra ihany no koa mety handao ny toerany.
Enim-bolana no fe-potoana nomena azy ireo hiandraikitra ny asa. Fampanantenana nataon’ny ben’ny tanàna nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny ny tsy maintsy hanomezana fahafaham-po ny vahoaka momba ireo asa fampandrosoana. Nisy tamin’ireo tompon’andraikitra ireo no tsy nahomby ka tsy maintsy ho voahilika. « Zava-dehibe izay fandraisana fanapahan-kevitra ataon’ny ben’ny tanàna izay, mba hanadiovana tanteraka ireo izay tena miasa ao amin’ny kaominina, mba tsy hanaratsy endrika ny tenany eo amin’ireo vahoaka izay nifidy azy » araka ny fanazavan’ireo mpanao politika sasany.
Tsimaniraka fils