Tsy mitsahatra ny miketrika ny sain’ny mpitondra fanjakana mba ampahombiazana ny MAP. Vola 5 miliara dolara no ilaina ahafahana manatontosa ny MAP. Io no nambaran’ny filoha Ravalomanana omaly teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, raha nanao ny fikaonan-doha niarahana tamin’ireo mpamatsy vola ivelany. Tsy maintsynatao izay aharesy lahatra ny mpamatsy vola vahiny mba hanomezany io vola io. Lalana iray tsy azo hialana ny fanampian’ny mpamatsy vola, ka raha sanatria tsy hisy ny fanampiana, dia naman’ny mipetraka ho tetik’asa ihany ity MAP ity. Midika io fa eo ampelantanan’ny vahiny ny mety ho avin’ny fampandrosoana eto Madagasikara. Dimy taona ny faharetan’ny MAP, izay hametrahana ireo fanamby valo tsy maintsy ho tanterahina. Midika izao fangatahantsika amin’ny vahiny izao, fa mbola maizina ny ho avin’i Madagasikara, na dia firenena hambara fa manana ny hareny aza isika. Toa ny vahiny anefa no mahazo tombontsoa amin’ireo harena eto amintsika ireny. Dia hiandry ny famindram-pon’ny vahiny ve vao afaka handroso ny firenena Malagasy ? Hifarana anio ity atrik’asa etsy Iavoloha ity.
Atrik’asa momba ny MAP
Miandry ny famindram-pon’ny mpamatsy vola
mardi 10 juin 2008 |
| 364 visites