Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Gadra Politika

Miantso ny mpanohitra hiray feo

mercredi 2 juillet 2008 | Naivo kely |  692 visites 

Na dia any am-ponja aza dia mbola mitohy ny antso ho an’ny rehetra tsy hanaiky ny tsy rariny. Mpanao Politika iray manana ny lazany teo aloha izay migadra etsy amin’ny fonjaben’Antanimora no maniry ny hitambaran’ny herin’ny mpanohitra. Andro vitsy lasa izay, dia voalaza araky ny loharanom-baovao, fa nanoratra ho an’ny antoko Politika rehetra eto aminintsika izy io, izay nanorotsirotra ny tokony hanohizana ny tolona. Tolona izay tsy tokony avela hangina, satria io fahanginana io no toa mampahazo vahana ny hafa hoy ity taratasy ity.

Toa tsy nampiraika ny mpanao Politika tety anivon’ny fiaraha-monina anefa io antso avo io. Midika ve izany, fa tsy mifantoka amin’ny Politikan’ny olona voafonja ny fomba fijery ety ivelany ?

Heno ihany ihany koa fa tratrin’ny aretin’ny taovam-pisefoana ingahy Pety Rakotoniaina, ary maniry ny hitsaboana azy ety ivaleny ireo fianankaviany. Zary hadinon’ny mpiara-mitolona aminy avokoa ireo gadra mpanao politika rehetra. Isan’io ry Voninahitsy sy ny jeneraly Fidy. Ny Profesora Zafy Albert irery no mba heno manantona azy ireny any amin’ny toerana misy azy teo aloha teo mitondra fanampiana ho an’ireto namany ireto. NY hafa kosa, dia io iarahana mahita io, fa na ny fisian’ireo namany aza toa tsy tsaroany intsony. Tsy ho gaga isika raha samy maka ho azy amin’ny tanjona iriany ny antoko mpanohitra eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}