Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Toamasina

Miditra an-tsehatra ny Sinoa

samedi 16 février 2008 | Naivo kely |  562 visites 

Malaza any amin’ny faritr’i Toamasina ny kitram-pokontany. Kitra izay heverina fa ahafahana mijery ifotony ireo tanora ahavita azy eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena eo amin’io taranja iray io. Omaly dia niditra an-tsehatra ny masoivoho Sinoa miasa eto amintsika nanolotra fitaovana toy ny fanamiana mahatratra 1400 isa mba ho fanampiana ny tanora amin’ity kitram-pokontany taom-pilalaovana 2008 ity. Nisolontena ny fitondram-panjakana nandray ity fanomezana ity ny ministry ny Fanatanjahan-tena, Patrick Ramiaramanana. Raha resaka kitram-pokontany no resahina, dia maro ny maniry azy ity mba hiparitaka manerana ny fokontany maro eto Madagasikara. Raha ny fantatra dia hisy ny fiadiana ny amboaran’ny Madagasikara eo amin’izay kitram-pokontany izany. Aleo hiainga ifotony tahaka ny « Pazzapa » ny raharaha, satria izay no tena fikarohana ny mahay any amin’ny fototra e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}