Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Mihorohoro ny manodidina

mercredi 27 février 2008 | Naivo kely |  752 visites 

Tafakatra eto andrenivohitra ireo jiolahy heverina fa atahorana avy any Antsiranana. Nisy ny nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora, ary ireo tsy ampy taona kosa voalaza fa eny Anjanamasina no natoby.

Raha ity farany no asiana resaka, dia mihorohoro ny mponina eny Anjanamasina noho ny fandrenesana io vaovao io. Ny resaka fiaravona ny faritra hitazonana itony olona itony no antony. Hiarahana mahita ihany ny havitsin’ny mpiambina io toerana io. « Ny tamboho azo hitsoahana », hoy ny mpitazana, « ary raha sanatria ka misy goragora miseho amin’ny fiambenana azy ireo, tsy izahay manodidina ve no hizaka ny vokatra ratsy ? » Tsy ny maha-tsy ampy taona azy ireo no jerena fa ny laza ratsy navelany tany Antsiranana. Izay no hanaovana antso avo ny hanamafisana ireny fonja ireny, sao tonga amin’ilay fiteny hoe : miala any Antsiranana, dia Anjanamasina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}