Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Bazar-kely Toamasina

Milalao maloto ny vahoaka

mercredi 5 mars 2008 |  781 visites 

« Tsy misy azo iverenana intsony ny kiraro ». Renim-pianakaviana, tsy maintsy mamonjy ny toeram-piasany indroa isan’andro, no mitaraina mafy ny manjo ny mponina manoloana ny Bazar-kely iny. Rano miandrona, nanomboka ny fandalovan’ny rivodoza Ivan, mandraka androany no tafaresaka taminay.

« Efa tsy azo leferina intsony, kanefa dia iainanay isan’andro, hoy izy. Aiza ve ka dia raha vao misy fiara mandalo fotsiny eo amin’ny arabe, dia indro ny rano fa misosa moramora miditra ny tokotaninay ». Rano maloto, mivadika ho maitso tokoa no hitan’ny maso. « Ny ren’ny oronao mbola tsy fantatrao, hoy izy. Mila tsy hitady an’Ingahibe Masoandro intsony, satria tsy tanty ny fofony ».

Araka ny vaovao noraisinay tany an-toerana, ny alahady lasa teo, dia mbola « tinette » no ampiasain’ny vahoaka maro any. « Tsy mahagaga mihitsy raha milaza aminao aho fa milalao maloto izahay eto. Ahoana tokoa moa no hameranao izay mety ho vaorainan’ny ankizy madinika ? »

Fihetsiketsehana goavana

Mbola raharaha goavana , araka izany, ny manjo raha vao hivoaka ny trano. « Izaho manokana aloha dia manarama olona handray ny kiraroko mivoaka ny trano mandra-pahatongako ao anaty posy, satria eo aho dia tsy maintsy misolo mba tsy hahavoa baraka any am-piasana ». Torak’izay koa ny ankizy handeha hianatra ; bataina mandra-piala ny maloto. « Mandra-pahoviana re ? » hoy ihany ity renim-pianakaviana ity. Nandritra ny herinandro mantsy izao, dia avy foana ny orana. Faharavatra ny andro.

Nangonin’i R. Volana A.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}