Vonjeo ny vahoaka, ary aoka izay ny fandaniana be loatra. Io indray ny fanehoan-kevitra nataon’ny Jeneraly Ramakavelo.
Raha misy ny vola atobaka any amin’ny fanitarana ny seranantsambo ao Toamasina sy ny etsy Ivato, nahoana raha ny resaka sosialy no hampiasana fandaniana ara-bola satria io no miantoka ny fiainan’ny mponina andavan’andro ? Miray feo amin’ingahy Herizo Razafimahaleo ihany koa ingahy Ramakavelo ny tokony hanafoanana ny fanaovana ilay fivoriana ho atao eto ny taona 2009 iny.
Filoham-pirenena no raisina, nefa hatraiza ny fahavitan’ny foto-drafitrasa handraisana azy ireo ? Tsy mahamenatra antsika ny manafoana io, mba tsy hitondra henatra ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.