Ny karazana fiara an
tsoina hoe minibus indray no tena lasibatr’ireo mpangalatra fiara tato ho ato. Ka ny tena tadiavin’izy fatratra amin’izany dia ny fiara Mazda E 2200. Teny Ambohimanarina ohatra dia nanjavona ho efa 3 volana izao ny minibus iray izay tena vaovao tokoa satria mitondra ny laharana TAL. Hatramin’izao dia mbola eo am-pitadiavana ny marina momba ity halatra ity ny tompon’ny fiara. Etsy andanin’izany, lasan’ny jiolahy tahaka izay ihany koa ny minibus Mazda iray ana-orinasa mitoetra eo amin’ny ivo-toeran’ny Galaxy. Tamin’ny iray volana lasa no nitrangan’ity toe-javatra ity. Marihina fa ny mpamily no nihazona ny lakile sy ny antontan-taratasy mikasika ilay fiara. Ny ampitson’iny dia tsy hita teo amin’ny toerana tokony hisy azy intsony ilay fiara Mazda. Azo antoka araka izany ny mety havoarohirohy an’ilay mpamily.
Nambara teo moa fa ny karazany antsoina hoe Mazda E 2200 no mahasarika ny mpangalatra amin’izao fotoana izao. Ny antony moa dia nohon’ny lafiny ara-teknika. Malaza ho fiara tena mahari-pery ary tsy mba manary an-dàlana ity karazana fiara iray ity. Fantatra mantsy fa izy irery no tsy mba tratry ny sampona ara-mekanika ho an’ireo izay te-hanao halaviran-dàlana tena lavitrezaka. Afaka manaporofo izany ny zava-boalazan’ireo mpandeha vitsivitsy hamonjy an’i Toliary any atsimo, na ireo handeha na avy any Antsiranana sendra anay. Mazava araka izany fa tsy mikely soroka mihitsy ireo mpangalatra fiara amin’ny fomba hahazoana azy. Eo anatrehan’izany dia tokony ho mailo tanteraka manomboka izao izay manana minibus Mazda rehetra fa tsy kely làlana ny ratsy. Manana andraikitra lehibe ihany koa ireo zandary sy polisy amin’ny fitandroana sy fiarovana ny fananan’olona satria ny lafiny fitaterana an-tanety no isan’ny tena iankinan’ny ain’ny toe-karem-pirenena eto amintsika.