Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Antoko TIM

Miroso amin’ny fifanakalozan-kevitra

lundi 10 mars 2008 | Naivo kely |  269 visites 

Tsy ny TIM no matahotra ady hevitra fa misy fotoana ny zava-drehetra. Fifanankalozan-kevitra amin’ny mpianatra, ny mpandraharaha sy ny vehivavy ary ny mpanao fanatanjahan-tena. Ireo no hita ho fihetsika nataon’ny antoko TIM nandritra izay fampielezan-kevitra izay. Midika fa vonona ny hifanakalo hevitra amin’ny hery rehetra ity antoko ity hoy ireo kandida raha niroso tamin’io fampielezan-kevitra io ry zareo ny faran’ny herinandro teo.

Tetsy amin’ny Galerie Kamoula Analakely ny sabotsy hariva teo, dia adi-hevitra momba ny fandraisana andraikitra ataon’ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana no natao teny. Ny Eja mpanoratra tononkalo, Mireille Ranaivo mpandraharaha, Mireille Rasolohery eo anivon’ny federasionan’ ny kick Boxing, ary ny Rtoa depiote voafidy tao Manjakandriana, Hantasoa Lydia, ireo no niady hevitra momba ny andraikitra raisin’ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana. Samy nanamarika izy ireo fa mora maharesy lahatra ny vehivavy, ka rariny raha omena andraikitra eo amin’ny raharaham-pirenena. Ny tena andrasan’ny maro dia ny ady hevitra politika eo amin’ity antoko ity, ka asa na rahoviana no hisy an’izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}