Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 08h36
 

Malagasy

Ambatomainty : zaza vao teraka

Misy loaka eo amin’ny lohany

jeudi 28 février 2008 | Hery A. |  938 visites 

Nisy loaka ny lohan’ilay zazakely vao teraka. Zava-niseho tao amin’ny tobim-pahasalamana fampiterahana ao amin’ny distrikan’Ambatomainty io, tamin’ny faha 21 febroary lasa teo. Araka ny vaovao azo, dia nipotsaka teo amin’ilay loaka eo amin’ny lohan’ity zaza ity ny atidohany. Nahagaga ny rehetra ny seho fa tsy vaovao tamin’ny fianakavian’ity vehivavy niteraka ity. Voalaza fa zanany faharoa ity. Tamin’ny taona 2000 izy no niteraka ny zanany voalohany, tsy nisy valaka tamin’ity nahazo ny zanany faharoa ity no nahazo izany zaza izany. Afaka 3 andro taorian’ny nahaterahany moa dia maty ilay zaza tamin’izay fotoana izay. Efa nanatona mpitsabo ity ramatoa ity, saingy sarotra ny fanazavana satria resaka ara-tsiansa mihitsy izy ity. Vinavinaina ho tsy fahampian’ny singa maha zaza hary azy no mahatonga ny zava-niseho, izany hoe mety ho antony ara-pahasalamana manokana.