Ity rivo-doza mamotika ny mpiray tanindrazana ity, no anton’ny fitakiana ny hanemorana ny fifidianana. Io indray no nentin’ny antoko AREMA nanamarin-tena amin’ny fitakiany ny hanemorana ny fifidianana. Tetsy amin’ny foibe Soanierana no nilazany ireo omaly. Taorian’ny nandavan’ny fitsarana ilay fitoriana napetraky ity antoko ity ny hanemorana ny fifidianana, dia mitohy ny fanoherana ataon’izy ireo ny fifidianana mpanolon-tsaim-paritra ny 16 martsa izao. Ny manitikitika ny rehetra, dia ny hoe, raha mihemotra ny datin’ny fifidianana, handray anjara hirotsaka ho fidiana ve ity antoko ity ?
AREMA
« Mitombina ny ahiahinay »
vendredi 22 février 2008 |
| 583 visites