Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 08h36
 

Malagasy

Fampielezan-kevitra : Rafalimanana Hery

Mitombo hatrany ny mpanohana

samedi 1er décembre 2007 | Hery A. |  439 visites 

Ny firaisana faha 5 indray no nanohizan’ny kandida Hery Rafalimanana ny fampilezan-keviny ka nahatsapana fa nitombo isan’andro ny mpanohana azy. Tsy ny tanora irery ihany fa efa mirotsaka an-tsehatra koa ireo olon-dehibe na dia mafana aza ny andro. Omaly dia saika ny fandraisana ny hetahetan’ireo vahoaka no nisongadina. Tsy mihambahamba manome toky azy ireny atoa Rafalimanana, ary nambarany fa tsy ampahafirin’ny asa efa vitany teto an-drenivohitra ireo nangatahan’ny mponina. Noelanelanan’ireo mpanao propagandy tamin’ny fitetezana ny tanàna tamin’ny fiara sy sora-baventy ny fanentanana ka teny Androndra, firaisana faharoa vao nidina kely nifampiresaka tamin’ny mponina. Teny Antohomadinika no namaranana ny andro faha 4 omaly, ary anio dia faritra maro no hahazo ny anjarany amin’ity kandida natolotry ny TIM ity.-