Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h19
 

Malagasy

Fotodrafitrasan’ny kaominina

Mitombo ihany ny fahapotehana

lundi 11 février 2008 | Hery A. |  533 visites 

Miha potika ihany ireo fotodrafitrasa eto an-drenivohitra ka saika ireo fotodrafitrasa vao naorin’ny kaominina no lasibatra. Efa niaraha-nahita ireo fahasimbana teo Analakely. Tsy nisy tazana intsony koa ireny takela-by ireny, indrindra ny amin’ny toerana mangingina. Tsy fantatra loatra izay olona tsy mahatandrina ireny, fa tato ho ato kosa dia hita ny fahasimbana noho ny tsy fitandremana. Vao tamin’ny alakamisy alina teo koa no nisy fiara vaventy nitondra kaontenera avo be niditra tamin’ny lalam-baovao anosibe iny. Voafetra ny haavon’ny fiara afaka mandeha eo, saingy tsy nanaja izany ity fiarabe ka nisisika, ary ny vokany dia potika tanteraka ilay vy mametra ny haavon’ny fiara. Naharitra hatramin’ny zoma maraina ny fanesorana ilay vy sy ilay kamiao izay navela nandeha ihany. Teraka teo ny fitohanana ka maro ny mpiasa sy mpianatra tara fidirana. Ireo fitaovana napetraky ny kaominina ka vita amin’ny metaly dia ataon’ny mpangalatra majifa avokoa. Soa fa efa ao anatin’ny fanadiovana ny tananan’Antananarivo ka ho laharampahamehana ny fanaraha-maso ireny fitaovana ireny.