Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Mitsiry tsy namoha

mercredi 6 juin 2007 | Naivo kely |  149 visites 

Raha vao manomboka manao ny tatitra ny asa vita nandritra ny fitondrana teo aloha sy ny ankehitriny ny Praiministra lehiben’ny Governemanta, dia efa mandeha sahady ny resaka fitakiana fiovana eny amin’io andrim-panjakana etsy Tsimbazaza io. Mila fiovana haingana ny Governemanta hoy ny depiote sasany fa tsy mahomby ity Governemanta vaovao ity, ny antony dia mbola ny nataon’ny teo aloha ihany no ataony amin’ny fomba fiasa.

Dia talanjona ihany ny maro nandre ireo karazan-teny ireo teny an-toerana omaly satria iza no tsy mahalala fa andrim-panjakan vao miana-mandeha io, ary efa sahy misedra ny mafy manoloana zava-misy ankehitriny. Telo volana izay no naha-teo azy ireo ankoatry ny minisitra efa-niara-niasa teo aloha, koa hovana ahoana sahady ? Ny nafafy tsy mbola mitsiry sy namoha ka inona indray no tadiavin’ny sasany ? Izay tokoa angamba no tsy hanomezan’ny sasany lanja ny fitondrana satria tsy ny menaka tsy hita eny an-tsena no handravana Governemanta. Sa izany tokoa no hambara hoe solombavam-bahoaka ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}