Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 14h12
 

Malagasy

Fivorian’ny mpanohitra

Mizarazara ny hevitra

vendredi 25 avril 2008 | Penjy R. |  600 visites 

Omaly dia nahitana fivoriana nataon’ny mpanohitra ny tetsy amin’ny Soimanga Manakambahiny sy teny Ivandry. Tanjona iray no tiana hahatongavana, saingy ny firaisan-tsaina no samy nanana ny azy.
Tetsy amin’ny Soimanga Manakambahiny dia hita teny avokoa ireo mpanao politika kalaza eto ary ny teny Ivandry kosa dia ireo mpiara-dia amin’ny Profesora Zafy Albert.

Ny fandraisana fahefana no tanjona, ary mazava ho azy fa nisy ihany koa ireo tatitra tamin’ny dingana nataon’izy ireo izay nanao fitetezam-paritra. Tsy voafaritra mazava kosa hatreto ny mety ho hetsika mafana ho ataon’izy ireo. Mizarazara be ny firaisan-tsaina eo amin’ny samy mpanohitra, ka tsy mahagaga raha maro no nilaza ny handeha irery amin’ny tolona izay ataony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}