Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Tabera Andriamanantsoa

Mora mivadika i Manandafy

mercredi 30 avril 2008 | Naivo kely |  1157 visites 

« Taona vitsy monja dia manadino i Manandafy. Isan’ny nitaky ny tokony hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena ity mpitarika ny antoko MFM ity, saingy tsy tsaroany intsony ny teniny taona vitsy lasa izay », hoy ingahy Tabera Andriamanantsoa, mpitarika ny federalista. Ny fampihavanam-pirenena izay isan’ny nagatahany ho atao eto, dia laviny indray ankehitriny fa tsy tokony ho atao eto. Làlana iray tsy azo hiodivirana io, satria nisy ady mahatsiravina teto.

Tsy ny raharaha 2002 ihany, fa efa hatrany amin’ny andron’ny mpanjaka. Ireo no tsy maintsy aravona, ary mila io ny vahoaka Malagasy. Ingahy Manandafy aty ambony no tsy mila io, fa ny mpikambana MFM rehetra any amin’ny fototra dia mankasitraka ny fampiavanam-pirenena. Manana porofo amin’io izahay rehefa mandeha mitety faritra. Ny fivadibadihan’ny mpanao politika tahaka izao no mankaleo ny vahoaka. Tontolo iray tsy azo ialàna ny fidirana amin’ny rafitra tetezamita, izay hametraka ny rafitra ifotony, ary efa eo ampandaminana izany
ny mpanohitra miaraka amin’ingahy Zafy Albert.

Momba ny filazan’ny filoham-pirenena fa hanomboka amin’izay ny asa dia nanamafy ingahy Tabera fa efa ela no niandrasan’ny vahoaka izany. Enin-taona aty afara ve vao ambara fa tena hanomboka amin’izay ny asa ? Tsy hisy vahoaka hino izany intsony satria efa potika ny farim-piainany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}