Malaza isan-taona ny fanadinana bakalorea any Betioky-Atsimo. Tonga any avokoa ireo te ho afa-panadinana manao kandidà mahaleotena. Tonga any avokoa ireo kandidà avy any Toliara, Fianarantsoa, Antananarivo, hatrany Antsiranana rehefa hanala fanadinana Bacc. Tsy misy fanarahamaso hentitra. Ao ny mitondra kahie, ao ny soloina olon-kafa sy ny sisa. Tapitra anefa izany ankehitriny. Tratra ireo mpisandoka tamin’ny fanadinana farany teo. Mpianatry ny oniversite roalahy no nisolo mpiadina hafa niatrika bakalorea. Ny iray mpianatra taona fahatelo amin’ny sampam-piofanana, Fitantanana ao amin’ny oniversiten’i Toliara. Ny iray hafa koa, taona fahefatra any amin’ny sampam-piofanana Lalàna.
Vao nanomboka ny fanadinana ny andro alatsinainy dia tratra ny voalohany, tamin’ny taranja Malagasy. Efa andro farany, ny alakamisy hiadina sciences SVT kosa vao fantatatra ilay farany. Karapanondro sandoka no nentin’izy roalahy. Ny anarana voasoratra ao anaty karatra an’ilay tena mpiadina, ny sary tapaka kosa no hafa satria an’ilay mpisandoka hanala fanadinana.
Ny kandidà mahaleotena no betsaka noho ny kandidan’ny sekoly satria raha 54 ny kandidàn’ny sekoly dia tafakatra 70 ireo mpiadina mahaleotena. Ireo avy any amin’ny Faritra hafa no anton’izany. Nisy seho nitovy tamin’izao ihany koa tamin’ny taon-dasa tao Betioky-Atsimo saingy tsy nisy tohiny izany. Niasa mafy izay lehiben’ny foibem-panadinana tany an-toerana tamin’ity farany ity satria nahatratra mpisandoka. Fanampin’izany, nisy mpiadina enina hafa koa tratra nitondra taratasy na kahie miafina.
Fantatra fa hiakatra filankevitry ny fitsipipifehezana na « CODIS » ireo mpianatra tratra nisandoka ireo. Tsy misy hifandraisany amin’ireo tena mpiadina ireto mpianatry ny oniversite ireto fa nokaramaina fotsiny.
Mafy tokoa ny te ho afaka Bacc kanefa diplaoma fotsiny angamba no tadiavin’ireo mpanao afera izay tsy tratra hatramin’izay. Azo inoana fa misy any amin’ny tany lavitr’andriana koa izao nitranga tany Betioky izao.
Njaka Navonisoa