Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Dadabe Monta • Herintaona tsy nisotroana toaka

Nahangona iray tapitrisa ariary

samedi 14 juin 2008 |  849 visites 

Rehefa tsy nisotro toaka nandritra ny herin-taona ity lahiantitra iray dia nahangona iray tapitrisa ariary. Gaga izahay raha nilazany fa manana ambimbava iray tapitrisa ariary i dadabe Monta noho ny tsy fisotroany toaka tao anatin’ny herintaona. Tamin’ny volana janoary 2007 izy hono no nisotro toaka farany. Nanomboka tamin’io volana io dia nangoniny daholo ny vola tokony hividianany toaka dia nanome iray tapitrisa ariary.

Madagascar Tribune : Inona no nahatonga anao hiala tamin’ny toaka ?

 Dadabe Monta : « Tadidiko tsara ny andro farany nisotroako toaka. Ny faran’ny volana janoary 2007. Rehefa avy nisotro toaka toy ny mahazatra ahy aho dia nihinana mananasy. Efa fantatro ihany fa tsy tsara miaraka ny mananasy sy ny toaka. Fa izany angamba no atao hoe fanairan’Andriamanitra fa dia nampiarahako izy roa. Ny alin’io andro nisotroko toaka farany io dia nibotsina sady lasa mafy toa ny vato ny kiboko.

Tsy mbola nijaly narary sahala amin’izany mihitsy aho. Nanomboka teo dia nivoady tsy hisotro toaka intsony aho ».

Ahoana no hilazanao fa fanair’Andriamanitra ilay nihinananao mananasy ?

 « Manana fomba maro Andriamanitra hampitana hafatra amin’ny zanak’olombelona. Ao ny famaizana, ao ny fananarana. Ho ahy manokana dia nampitondrany ny mangirifiry aho mba hafantarako fa ratsy ny toaka ».

Ahoana no nahafahanao nanangona iray tapitrisa ariary ao anatin’ny herintaona ?

 « Rehefa misotro toaka aho dia mahalany bota iray sy tapany isan’andro. Tsy mba mety lavon’ny bota izany mihitsy aho. Ny hany ahafantarana fa mamo aho dia mivorehitra menabe ny tarehiko, fa tsy mba mandrefy làlana na mandry an-tatatra izany koa. Ka kajikajio tsara fa raha isan’andro ny mandany bota iray sy tapany, dia mahatratra ohatrinona ao anaty ny taona iray ? »

Nangonin’i Manjaka hery

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}