Vita iny fifidianana izay ho ben’ny tanana teto Madagasikara ka ny alarobia ho avy izao no hamoahana ny vokatra amin’ny fomba ofisialy. Ny fanovana tsy olon’antoko no niantefan’ny safidin’ny maro raha Antananarivo renivohitra no jerena. Io fanovana no niangan’ny ady hevitra maro isan-karazany, ka tao no nanambara fa mila tanora vaovao afaka hitondra ny baolina ny tanana ka natolotra an’i TGV ny faneva. Tsy vitsy no nisaina fa kapoka ho an’izao fitondrana izao ny naharesy ny olon’i TIM, izay ampy hampisaina ny mpitondra foibe mba tsy hievitra ho manana ny rariny amin’izay rehetra atao, ary nisy mihitsy no naniry fa lalana iray mizotra any amin’ny firodanan’ny fanjakana ankehitriny. Mahazo mamisavisa izany ny rehetra fa ny tsy azo lavina, dia namoaka olo-manga ny TIM, ary tsy azo lavina koa fa nisy ny fanetriben’ny tany izay hiarahan’ny rehetra mahita eny ny fihetsiky izy ireny. Iza no sahy hilaza fa tsy nandroso ny tanana ary niova raha niakatra nitondra ny tanana teto andrenivohitra ny TIM izay nahitana an’i Patrick Ramiaramanana ka nahavitana ny tanana ho toy izao, isan’io ny lalana, mpaopy, trano fidiovana, fampidirana jiro sy ny tsena teto amin’ity renivihotra ity ka nahazoana ny lokan’ny Metropolis ? Nisy ny nilaza fa tetikasan’ny teo aloha io, saingy moa ve raha hitokana ny tsena izay hotokanana atsy ho atsy toan’Ambohimanarina sy hafa ny ben’ny tanana vaovao hisy sahy hilaza toy izany ? Nandray ny fahefana ny ny PDS Hery Rafalimanana izay tsy nitazana fotsiny ny tanana fa niasa avy hatrany nanome endrika ny renivohitra ka nampihaiky ny vahiny, sy ny mponina teto. Na dia nambara fa hamonjena ny lalaon’ny nosy aza ireo asa vitany, moa tsy nahafaly ny maro ve izany ? Mendrim-piderana izy satria tsy azo kosehina ao anatin’ny tantara eto amintsika ny fiovana nentiny, ary mino ihany koa isika fa ao anatin’ny valo volana hitondran’ ny ben’ny tanana vaovao dia hisongadina ny asa heveriny ho atao ho an’Antananarivo renivohitra. Aoka ihany koa tsy hisy ny fingana fa mba hifanome tanana azy ny ambaratongam-pahefena isan-karazany, indrindra fa isika vahoaka amin’ny fanefana ny hetra. Ny fandaozana toerana iray tsy maha-kivy satria mbola maro ny adidy miandry ity PDS teo aloha ity raha ny fampandrosoana no jerena, ka izay nahavita torahy voninkazo, fa ny Tsy nahefa ny adidy nankinina taminy kosa omeo fankaherezana fa tsy sanatria ny fonja no miandry azy ireny, ka zary tsy mamparisika ny maro intsony amin’ny fampandrosoana ny tanana. Raha tsy hoe ireo nanao rapa-dago ny harem-pirenena angaha ?
Namoaka olo-manga ny TIM
samedi 15 décembre 2007 |
| 1175 visites