Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Resy indray i Voninahitsy

Nampiakatra didy fandravana ny mpisolo-vava

samedi 14 juin 2008 | Naivo kely |  476 visites 

Tsy mahita rirany i Voninahitsy. Resy teo anoloan’ny fitsarana ambony indray ny tenany omaly, ka hampiakatra ny raharaha eo anoloan’ny didy fandravana ny mpisolo vava azy. Didy efa nandrasan’ny rehetra ihany iny fanampahan-kevitry ny fitsarana iny, izay mitazona ilay sazy 4 taona antranomaizina. Firaisana tsikombakomba tamin’ny naha-vaky ny fonjan’Antanimora no niampangana azy. Nisy ny gadra afaka nandositra, ka voalaza fa ny basin’ingahy Voninahitsy no tratra tany aminy. Ny fiankavian’ingahy Voninahitsy dia nanambara fa ankivy ara-politika atao amin’ny havany izao miseho izao. Voalaza mantsy fa basy efa very efa ela ity tratra tany amin’ireto gadra nandositra ireto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}