Niova tokoa ny fomba fiasa. Isan’ny ezaka lehibe nampetraky ny filohan’ny antenimieram-pirenena Sylla io, ary tsy itsahatra namerimberina izany izy tao an-dampa.
Tsy dia maro loatra toy ny fahita hatramin’izay ny fanotanian’ireo depiote, na dia niezaka ho fanotaniana iray tonga dia valiny aza ireo mpitarika ny fivoariana. Ny atoandro dia efa vita ny ady hevitra. Asa resy lahatra tamin’ny asa nataon’ny Governemanta tokoa angaha ny depiote ka tsy nanana hafitsoka firy tamin’ny fanontaniana. Ny Praiministra Charles Rabemanjara, dia nanamafy ny tokony hisian’ny fifampitokisana, ary ny fiaraha-miasa matotra, mba ahafahana manatanteraka ny lahasa atao eto. Raha mbola misy ny mialangalana, dia handamoka ny ezaka tiana hampetraka eto. Nitodika tany amin’ny faritra sy ny kaominina izy ny hanaovana ezaka lehibe miainga ifotony. Entano ny olona handoa hetra afahan’ny kaominina miarin-doha.
Anio maraina dia hiazo ny etsy Anosikely indray ny mpikatroka ao amin’ny Governemanta hitafa amin’ny loholona miisa 33.