Antomotra ny fifidianana, vonona ny ho enti-manana rehetra. Fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Ati-tany io. Ny karam-pifidianana dia efa roboka amin’izany ny isam-pokontany. Ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, dia hiroso hampahafantatra tsy ho ela ny kandida hifaninana.
Vonona ny mpitandro ny filaminana mahatratra 1134 haparitaka manerana ny biraom-pifidianana manerana an’i Madagasikara. Fa ny tsy mbola voaresaka, dia ny hoe misy mpanara-maso vahiny ve nafaran’ny fanjakana sa vitan’ny eto an-toerana fotsiny ? Isan’ny nireharehan’ny mpitondra ankehitriny ny filazan’ireto vahiny ireto fa mendrika taty Afrika ny fifidianana izay natao teto. Sa efa eo ny KMF/CNOE sy ny maro tsy voatanisa anao izany ?