Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 09h42
 

Malagasy

EKAR Andohalo

Nanolotra fanomezana ho an’ny fiangonana ny minisitra Ranjeva

lundi 10 décembre 2007 | Nivo T. A. |  500 visites 

Toy ny nataony teny amin’ny fiangonana Katolika Ambohimitsimbina sy Ambatomitsangana dia namaly ny antson’ny fiangonana, nandritra ny fankalazana ny fetin’i Masina Maria, mpiaro ny Katedralin’Andohalo, ny minisitry ny raharaham-bahiny Marcel Ranjeva. Nanolotra seza telo ho fanaka masina manoloana ny hotely hipetrahan’ny mompera sy ny mpanampy azy izy na dia tsy eto an-tanindrazana aza fa mamita iraka any ivelany, noho izy mahatsiaro ho zanaky ny fiangonana. Ireo fiangonana telo manan-tantara eny amin’iny tanàna ambony iny moa dia nanamarika ny fahazazana sy ny hatanoran’ny minisitry ny raharaham-bahiny, ka tsy hadinony ny mitondra izay voatsirambin’ny tanany amin’izao fetim-piangonana toy izao. Nanohina ny antson’ny reni-fiangonana tamin’izao fankalazana ny fetiny izao ihany koa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Atoa Jacques Sylla.

Ny Vikera Jeneraly, Mgr Ludovic Rabenantoandro moa no nitarika ny fotoam-pivavahana.