Ny tsy fitoviam-pijery sy ny fizarazarana no tsy ahombiazan’ny tolona atao eto. Tsy mahagaga raha mahazo laka amin’izay tiany atao ny mpitondra. Aoka mba ho raisina ohatra ny ataon’ny mpanohitra atsy Zimbabwe. Io no nambaran’ny sekretera Jeneralin’ny antoko AKFM, Rakotomanga Erick tao amin’ny Aceem Radio ny alahady atoandro teo.
Ny firosoana amin’ny fifampidinihan’ny hery velona rehetra tsy ankanavaka eto amin’ny firenena no maika. Raha toa ka mbola samy manao be marenina eto isika mianakavy, dia vao maika ho latsaka any anaty haizina ity firenena ity. Ny fandinihana ny lalàm-pifidianana izao no maika, satria io no fototry ny olana eto. Izay kely vola eto, dia tsy tafita amin’ny fifidianana hoy ny AKFM, ka tsy ho gaga ny maro raha tsy mahita olom-boafidy ao amin’ity antoko ity, satria mandia fotoan-tsarotra izy ireo. Na eo aza izany, dia tsy miova kosa ny foton-kevitra hijoroan’ity antoko ity, dia ny ady amin’ny jadona sy ny tsy fahamarinana, ary ny hampanjaka ny fandriam - pahalemana.