Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 09h42
 

Malagasy

Fivoriana an-tampony Afrikanina

Nanome tsiny ny mpanohitra ny Tim

lundi 13 octobre 2008 | Penjy R. |  515 visites 

Misy mitady hamboly koronta tsy ahatanteraka ny fivoriana an-tampony aty Afrika atao eto Madagasikara any ho any. Io no nambaran’iIngahy Mamy Rakotoarivelo ny asabotsy lasa teo.

Tombony lehibe ho antsika ny fandraisana ity fivoriana ity, satria hiompana any amin’ny lafiny toe-karena sy soasialy ny firenena. Hifantoka aty Madagasikara ihany koa ny mason’izao tontolo izao. Hiakatra ho amin’ny tsara ny lazan’i Madagasikara, ka tsy ho zakan’ny mpanohitra izany. Isan’ny voatsiahy amin’ny tombony hafa ihany koa ny fahavitan’ireo fotodrafitr’asa isan-karazany. Isan’io ny lalana mihazo eny Ivato, izay azon’ny fiara telo hifanenana. NY fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Ireo trano goavana handraisana ny fivoriana.

Nanamarika ireto mpikatroka ao amin’ny TIM ireto, fa hendry ny malagasy, ka tsy ho azo viraviraina amin’izany korontana izany intsony.