Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 09h42
 

Malagasy

Famoriam-bahoaka

Nihemotra ny mpanohitra

samedi 6 septembre 2008 | Naivo kely |  740 visites 

Tsy nahazo alalana hanao famoriam-bahoaka ny mpanohitra anio. Ny antony dia efa misy mampiasa io kianja mitafon’ny mahamasina io ny asabotsy. Nisy ny fitadiavana vaha-olana nataon’ny tompon’andraikitra hafa eto amin’ny tanana hanomezana azy ireo ny ao ambadiky ny kianja mitafo, saingy nilaza indray ireto mpanohitra miara-diha ireto, fa aleo amin’ny manaraka fa mbola tsy vonona ?

Inona no anton’ity fihemorana tampoka ataon’ny mpanohitra ity, nefa efa nomena toerana malalaka haneho ny heviny ?Sa matahotry ny tsy ahazo olona ? Samy manana ny fandaminany avokoa ny rehetra amin’izay hetsika ho ataony, ka tsy hifanomezantsiny izany. Mampanantena kosa ireto mpanohitra ireto, fa hitohy tsy ho ela izany fanazavan-kevitra ataony amin’ny vahoaka eto andrenivohitra izany.