Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Fitsarana mpanao politika

Nisesisesy tao anatin’ny volana vitsy

mardi 27 mai 2008 | Naivo kely |  500 visites 

Mipoitra tsikelikely eny anivon’ny fitsarana ny raharaha masahana ireo mpanao politika eto amintsika. Niainga tamin’ny raharahan’ingahy Davida Rajaon, izay noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana. Nitohy tamin’ny raharaha Pety sy ny Jeneraly Andrianafidisoa nipaka hatrany amin’ingahy Voninahitsy, ary io niafara tamin’ny fisamborana an’i depiote Zakahely ny alahady hariva teo.

Ny tafavoaka aloha dia iray, fa ny sazy niampy kosa ny an’ireo hambara ho nikasa hanongam-panjakana ny volana novambra 2006 teo. Nanaitra ny rehetra ihany izao fihazakazaky ny fitsarana ireto mpanao politika ireto, satria tao anatin’ny vanim-potoana fohy no nisehoan’izany. Ny momba an’ny depiote Zakahely kosa dia voalaza fa efa ela ny lehilahy no tokony ho nosamborina, saingy io alahady teo io izany vao natao izany. 30 volana an-tranomaizina no didy navoakan’ny fitsarana ho azy. Tsy vitsy tamin’ny mpitarika antoko politika teto amintsika no nikilasy izao fiakarana eny amin’ny fitsarana izao ho fanampenam-bava izay minia haneho hevitra eto momba ny fiainam-pirenena. Misy mihitsy ny nilaza fa raha ny
filazàna ny marina no hidirana am-ponja dia tsy olana amin’izy ireo izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}