Raha ny fahantrana no tsy hanaovana asa dia tavela eto isika. Ny fametrahana asa mivaingana eto amin’ny firenena no taratry ny fandrosoana, ary isan’ny ankasitrahako ny tetiky ny filoha Ravalomanana amin’ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Toamasina sy ny seranam-piaramanidina etsy Ivato.
Fanehoan-kevitra nentin’ny depiote tao Moramanga teo aloha, Henri Charles Randriamahefa io. Omeo hery ity filoha ity hahafahany mitady lalam-bola entina hampandrosoana ny firenena. Tsy ny tsikera lava izao no hahavitana ny asa. Ny vidim-piainana tsy mitsahatra miakatra andro aman’alina. Dia izay ve no hampiatoana ny asa, hoy ihany ity olom-boafidy teo aloha ity. Mankasitraka ny hanaovana ny fivoriana an-tampon’ny Afrika izay atao eto Madagasikara ny volana jolay 2009 ihany koa ny lehilahy. Làlana iray hisokafan’ny Madagasikara amin’ny sehatra maro samy hafa io. Hifantoka aty Madagasikara ny mason’ny firenena eran-tany, ary tsy ho vitsy ireo mpandraharaha roboka amin’ny fiaraha-miasa izay ho atao aminy.