Hentitra ny teny nataon’ny birao politikan’ny TEZA, « natao hanitsy izahay fa tsy hialokaloka ». Io no nambaran’ny loholona Rakotoamboha Jean Louis omaly tao amin’ny radio ACEEM. « Mihemotra ny demokrasia eto Madagasikara, ka ilay teny filamatra nataon’ny filoha Ravalomanana milaza fa hanangana firenena vanona ao anatin’ny fahamarinana sy fanomezana hasiny ny firenena, no indro fa hitsakitsahin’ny hafa. Isan’io ny tery vay manta ataon’ny filohan’ny faritra sy ny sefo cisco ary ny lehiben’ny DREN hampifidy ny TIM. Terena ny mpiasam-panjakana, hifidy ny TIM ary mbola ny fitaovam-panjakana no hanerena azy ireo handany ireny kandida ireny. Inona no mahamaika ny fitondrana hanao ny fifidianana ho mpanolon-tsaim-paritra amin’ny volana Marsa izao, nefa ao anatin’ny vanim-potoan’ny rivo-doza ? » Tsotra hoy ingahy Rakotoamboha Jean Louis, satria maika hametraka ny loholona alohan’ny fotoam-pivorian’iretsy andrim-panjakana ny volana may izao izy. Isan’ny tompon’antoka amin’io ny ministeran’ny Ati-tany. Raha teny hampandroso ny faritra tokoa dia tsy ampy raha 33 no isan’ny loholona, fa mba natao 66. Tsara ny fanenana ny isan’izy ireny mba tsy handany ny volam-panjakana, nefa vitsy loatra raha tena hiroso marina amin’ny fampandrosoana ny firenena isika. Nohamafisiny, fa tsy ny fambolena sy ny fiompiana intsony no làlana hialana amin’ny fahantrana. Ny antony dia hambara fa ny 85% ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Nanomboka ny repoblika voalohany sy faha-roa ary amin’izao repoblika faha-telo izao, moa va tsy faty antoka hatrany no hiainan’ny tantsaha ? Maty ny eo amin’ny fambolena lavanila, mikorosy ny vidim-boakatra isan-karazany, ary na ny vary hambara ho foto-tsakafo aza mbola manafatra isika. Tsy voafehy ny fifehezana ny harena ankibon’ny tany sy ny andranomasina, koa tsy mahagaga raha hanjakan’ny vahiny ny harena. Ny làlana hita mety hialana haingana amin’ny fahavoazana, dia manao fifanarahana amin’ny mpandraharaha vahiny. Nefa izy ireo tsy maintsy hijery ny fomba ampiasany ny volany, toy ny filaminana ara-politika. Tsy azo antenaina ny MAP satria raha ny vola entina hanatanterahina azy io tsy misy. Ny fitondrana voalohany nataon’ny filoha Ravalomanana no tokony nahavita io, satria maro ny trosa voafafa, ka azo navadika nanantanterahina ny MAP io vola io.
Raha eo amin’ny sehatra politika dia tsy ampy ny ady hevitra politika, ka manjaka tokana ny antokon’ny fitondrana, ka tsy mahagaga raha manao izay tiany atao izy ireo.
Hatreto dia niova fomba fijery tanteraka ny TEZA. Dia ho sanatria ve ho lasa mpanohitra ?