Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 17h34
 

Malagasy

Kolonely Belone

Nohafahan’ny fitsarana ny lehilahy

mardi 15 juillet 2008 | Naivo kely |  848 visites 

Voarohirohy tamin’ny asan-jiolahy mitam-basy ny kolonely Belone. Fanafihana nitranga tany Soavinandriana Itasy ny alin’ny 27 septambra 2007 no niandohan’ny raharaha tany Mandevintena atsimon’i Soavinandriana.

Fandrobàna olona mpanangom-bokatra tany an-toerana no niseho. Nikasa hividy fiara 4x4 ity farany no nokasain’izy ireo ho robaina ilay vola be. Diso anefa ny vaovao voarain’ireto mpandroba ka tsy nisy afa-tsy vola 1 hetsy sy firavaka monja no hita tao an-trano. Voasakan’ny zandary teny amin’ny làlam-pirenena I iny ireto farany ka tamin’izay no nahitana ny fitaovam-piadiana sy ny saron-tava tao anaty fiara.

Nohafahan’ny fitsarana ity manamboninahitra ity ny zoma hariva teo, ary sazy mihatra 5 taona an-tranomaizina kosa no azon’ireo namany niaraka taminy. Tsara ny milaza fa isan’irony olona voarohirohy tamin’ny raharaha 2002 ny kolonely Belone, saingy nanjavona ny tenany, ka tamin’ity sehatra hafa ity indray no nipoiran’ny tantarany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}