Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Navoakan’ny HCC ny vokatra

Nolavina ny fitorian’ny Tsy miankina

samedi 26 avril 2008 | Naivo kely |  363 visites 

Tsy azo raisina, satria tsy hita fototra. Io no setrin’ny fitoriana nataon’ireo kandida tsy miankina nifanandrina tamin’ny antoko TIM manerana ny faritany.

Ny fitondrana mpifidy vaventy tany amin’ny hotely nampihinanana sakafo, sy notambazana moto, ary vola sy poketra ambehivavy no anton’ny fitoriana.
Niseho izany tany Manakara sy ny faritra hafa ary nisy mihitsy ny kandida hafa niantso ny BIANCO, satria endrika kolikoly fividianana ny vaton’ny mpifidy izany.

Tsy niova tamin’ny fanapahan-keviny ny HCC fa dia ireo olona efa lany nandritra ny fotoam-pifidianana ihany no hita voatonona teny Ambohidahy omaly.

  • Maha-kely finoana

Raha iny fifidianana izay ho loholona natao ny 20 Mey lasa teo iny no jerena, dia mahakely finoana izay ho kandida mbola hilatsaka any aoriana any ny toy izao. Mitondra porofo amin’ny karazana teritery atao amin’ny mpifidy izy ireo, saingy toa tsy misy vokany ny ezaka ataony. Raha ny TIM anefa no resy ka mitaraina, dia mazàna miverina ny fifidianana ao amin’ilay toerana. Maro no efa tratran’io, hoy ireo kandida ka manahirana anay tsy miankina ny mbola handray anjara amin’ny fifididianana any aoriana.

  • Masi-mandidy ny fitsarana

Hevitry ny kandida sy ny mpitazana ihany anefa ireny, fa ny masi-mandidy amin’ny fanapahan-kevitra raisiny ny fitsarana. Mandinika sy mamakafaka izy ireo vao mamoaka ny vokatra, fa tsy sanatria hiandany amin’ny antoko na kandida hafa. Ny hevitry ny mpitazana kosa anefa tsy azo sakanana tsy hivoaka. Ny loholona 11 ambiny kosa dia miandry ny fanendren’ny filoham-pirenena izay antenaina tsy ho ela.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}