Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Noravana ny federasion’ny baolina kitra

lundi 10 mars 2008 | Naivo kely |  596 visites 

Rehefa tsy mahomby tsy maintsy ravana. Fanampahan-kevitra hentitra no noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahan-tena, Patrick Ramiaramanana omaly tamin’ny fandravana federasiona roa dia ny baolina kitra sy ny taranja lomano.

Ho an’ny baolina kitra manokana, dia efa ela no nilana fanamboarana, saingy tsy nisy ny fandraisana andraikitra. Resy lava, tsy misy fivoarana raha ity sehatra ity no jerena. « Fitiavana ny baolina kitra no ataoko, fa tsy fanimbana », hoy ny minisitra Ramiaramanana. Manao ahoana ny mety ho sazy hiandry antsika eo amin’ny FIFA ? « Anjarantsika no mampivoatra izany fa tsy azy », hoy ingahy minisitra. « Isika no mahafantatra ny olana mitranga eto ary tsy nisy ny fanampiana nentin’ireny ho an’ny baolina kitra Malagasy ». Rariny raha handraisana fepetra ny toa izao mba hampivoatra ity taranja ity. Nandraisana fepetra toy izao ihany koa ny teo amin’ny federasiona ny lomano. Izay misy lesoka ihany koa eo amin’io sehatra io.

Ireo taranja roa ireo ihany ve no tsy mahomby eto ? Toa zary lasa fialokalofana ny sehatra tahaka itony, ary iza no tsy mahafantatra fa ny toy izany no tsy mampahomby ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara. Sahia manao dingana lehibe mba ho anatra ho an’ny hafa ny toy izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}