Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 22h16
 

Malagasy

Fampielezan-kevitra

Ny 80%’ny mpifidy no andrasan’ny TIM

lundi 3 mars 2008 | Naivo kely |  316 visites 

Nangatsiaka tanteraka ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ny sabotsy teo. Fampielezan-kevitra izay tsy nisy afa-tsy ny TIM no nanao izany manerana ny faritra maro. Miandrandra ny 80% ny vahoaka eto andrenivohitra ity antoko TIM ity, fa hanefa ny adidiny avokoa. Matotra amin’ny lafiny rehetra izahay hoy ny birao politikan’ny TIM, matoa mahafeno kandida amin’ny faritra izay hisian’ny fifidianana. Misy ireo mihevitra fa tsy misy vola na tombontsoa ny mpanolon-tsaim-paritra ka aleony tsy nirotsaka ho fidiana. Amin’ny TIM dia tanindrazana no jerena, ka na misy tombotsoa na tsy misy dia tsy maintsy manatanteraka ireo rafitra napetraky ny lalàm-panorenana izahay hoy ny filohan’ity antoko ity. Anio maraina dia hotohizana etsy amin’ny toerana malalaka Ambodin’Isotry ny fampielezan-kevitry ny TIM.

Ny tsy mifidy no fahavalo

Nohamafisin’ingahy depiote Ramamonjisoa Benjamin sy ny filohan’ny TIM Yvan Andriasandratriniony, fa ny tsy fahatongavan’ny vahoaka mifidy no fahavalo voalohany. Tsy fampielezan-kevitra fotsiny no atao fa ny fanentanana ny olona handray anjara amin’io fifidianana io. Manana anjara lehibe amin’ny fanentanana ny isam-baravarana ny TIM sy ny vahoaka tsirairay.

Be no tsy mivaky loha

Io sabotsy io no nilazan’ny ankamaroan’ny olona fa tsy mivaky loha amin’izay fifidianana ho avy eo izy ireo. Ny andraikitry ny mpanolontsaim-paritra dia tsy mazava rahateo. Aleo ny hanina ho hanina anio no jerena toy izay handany andro amin’ny resaka politika tahaka izao hoy ny maro. Io sabotsy io ihany no nahitana fa na ireo kandida matanjaka hifaninana amin’io 16 martsa io aza tsy mbola nametraka afisy eny amin’ny toerana tokony hanaovana izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}