
Araky ny nampanantenaina tamin’ny heriny dia hiresaka momba ny « eczéma » indray isika.
Ny « eczéma » dia anisan’ireo aretina azo avy amin’ny « allergie » koa. Izy ity dia aretin-koditra mangidihidy sy mivoara mibotsibotsina, mitera-drano avy eo ary dia lasa maina sy miofaka be dia be ny faritra eo amin’ny vatana mety ahitana azy io, ohatra tarehy, tanana, « oho », molotra na manodidina azy, taovam-pananahana aty ivelany...
Misy karazany 2 io
aretin-koditra io !
– « Eczéma de contact » na koa miseho rehefa misy ny fifampikasohan’ny hoditra amin’ny « allergies » ohatra : latex, akora atao amin’ny volo, simenitra, vernis, solvants, loko, fanafody, sparadrap, akanjo, couche bébé sy ny maro tsy voatanisa ary ny fialàna tsy mikasoka an’ireo zavatra ireo no fisorohana azy.
– « Eczéma atipique » kosa na hoe « dermatite atipique » dia tongatonga ho azy, tsy fantatra hoe nahoana. Amin’ny zazakely izy io no tena miseho matetika ka eo amin’ny tarehiny ankoatran’ny orony sy ny vavany ary mety mihitatra mankany amin’ny « plis de flexion » rehetra any. Rehefa mihanika ny faha valo volany ka hatramin’ny faha 3 taonany anefa ilay zaza dia mety hanjavona io aretina io ka tsy hiseho intsony nefa koa mety hitoetra foana. Mety hiaraka na hifandimby amin’ny « asthme » na sohika koa ny fisehony.
Ny an’ny olon-dehibe sy ny tanora kosa dia
« plis » no tena lasibatr’ity aretina ity. Noho izany, mety hanimba hoditra sy hanelingelina ny fiainana tokoa ity aretina ity raha tsy mahatandrina sy mahazo fitsaboana tsara izay voany ; ka izao, fadio ny manosotra zavatra fahatany eo amin’ny hoditra izay isehoan’ny « eczéma » soa vao mainka hampidi-doza fa ny fanatonana mpitsabo no fanafody voalohany mba ho salama ny hoditrao na ny an’ny zanakao.
« Mirary soa daholo ary e »
Dokotera Onisoa Rindra Ralidera
(033 11 55 759)