Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Sakafo

Ny faritra kere no mamatsy an’Antananarivo

vendredi 4 juillet 2008 | Naivo kely |  828 visites 

Tsy misy sakafo tsy hita eto Antananarivo renivohitra. Tsy ho gaga isika raha mivangogo eto ny ankamaroan’ny olona avy any amin’ny faritra rehetra any. Ny vidin’ireny sakafo ireny ihany koa hita fa mbola mora raha mitaha amin’ny any amin’ny faritra isan-karazany. Ny vola indray no tsy maharaka, ary ho zary ho nofy raha Antananarivo no ho faty mosary hoy ny mpitazana.

Antony mampitobaka ny sakafo eto, dia ny famatsian’ireo faritra isan-karazany sakafo manta ity renivohitra ity. Hita io toy ny vary avy any Alaotra sy Marovoay. Ny ovy sy ny karaoty ary legioma avy any Vakinankaratra. Hena omby avy any atsimo any amin’ireo faritra hambara fa kere.

Ny haninkotrana, dia mitobaka eny antsena, ary miampy ireo sakafo ambifotsy avy any ivelany sy vita eto antoerana, dia miaina tsara ny mponina. Raha jerena anefa ny velaran-tany eto, dia hita fa midadasika, saingy tsy ho hary vokatra eto avokoa ireo rehetra ireo noho ny toe-tany samy manana ny azy. Ekena fa mamatsy ny faritra hafa ihany koa ity renivohitra ity, nefa noho ny haratsin’ny lalana, dia midangana ny vidin’ny entana rehefa tonga any amin’ny toerana andefasana azy. Ireo entana ilaina eto andrenivohitra kosa anefa, dia mora ny hakana azy any ampotony, ary azohazo ihany ny vidiny rehefa tonga eto, satria maro ny entana azo hisafidiana.

Raha hiverenana kely ny momba ireo faritra hambara ho kere, dia na hita fa tsy ampy sakafo aza izy ireo, dia mbola mivarotra izay vokatra kely eo antanana, satria mila vola. Aty Antananarivo no handefasana izany, ka hoy ny mpitazana hoe, ny faritra kere indray ve no mamatsy ny renivohitra. Ny mponina andrenivohitra mantsy, dia variana any amin’ny asa birao sy ny fianarana, ka vitsy no mba mirona any amin’izany fambolena sy fiompiana izany. Tsy ho gaga isika raha somary taraiky ny mponina ambanivolo, raha mitaha ny aty andrenivohitra. Raha toa ka samy hianatra sy ny hitana birao avokoa moa ny Malagasy 18 tapitrisa, iza intsony no hamatsy sakafo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}