Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 09h42
 

Malagasy

PDS teo aloha

Ny mpanome baiko no fositra

lundi 17 décembre 2007 | Naivo kely |  873 visites 

Tao amin’ny Radio tsy miankina iray omaly no nanazavan’ny PDSn’ny faritanin’Antananarivo teo aloha, ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand, ny heviny manoloana ny fisamborana ireo olona manao fanamiana mitovy amin’ny miaramila. « Tsy tokony hosamborina na hampiharana herisetra izy ireny », hoy ny tenany, « fa ny fitsipika mampiavaka ny tena an’ny mpitandro ny filaminana no apetraka. Aoka hiavaka tsara ny an’ny zandary, miaramila, polisy ary ny mpiandry fonja. Tsy ny fanamborana ireny fitafiana ireny akory no hampihena ny asa-jiolahy eto ». Nankasitraka ny hanaparitahana ny miaramila any ambanivohitra ity PDS teo aloha ity, satria afaka haningotra hatramin’ny farany ny asan-dahalo izy ireny. Nankasitraka ny fandefasana ireo manamboninahitra nalefa nisotro ronono ihany koa izy satria mifanaraka amin’ny lalàna miaramila izany.