Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Olana ara-tsakafo

Potika isika raha tsy mitandrina, hoy Rabetsitonta

mercredi 18 juin 2008 | Naivo kely |  785 visites 
Tovonanahary Rabetsitonta.

Tsy hatsiarovanay noana na fotoana very ny raharaham-pirenena. Io no nambaran’ny loholona Rabetsitonta omaly tetsy amin’ny lapan’Anosikely. Fanazavana ny tokony ahaizantsika mamaritra dien’izao ny isian’ny tahiry ara-tsakafo toy ny vary. 3 tapitrisa taonina ny vary ilain’ny malagasy. Tokony ho ampy io, raha toa ka misy ny fitehirizana ny vokatra. apetraka ireny trano natokana hitehirizana vokatra ho an’ny tantsaha ireny. Tsy tokony hanaraka ny vidin’ny vokatra eran-tany isika fa mitady krizy ho an’ny firenena izay manao izany. Eo amin’ny volana novambra ka hatramin’ny febroary no tena hita ny fiakaran’ny vary izay tafiditra ao anatin’ny fotoanan’ny maitso ahitra. Vahaolana ny hamokarana betsaka, ary tsy tokony hianona amin’ny 2 taonina isaky ny hekitara isika, satria any Vietnama dia efa hatrany amin’ny 5 taonina vokatra azo isaky ny hekitara. Inona no sakana tsy ahavitana izany eto. Mpandraharaha ara-toekarena ingahy Rabetsitonta ka mahafantatra tsara ny vahaolana hialana amin’ity krizy mety hitranga eran-tany ity. Tsy midika akory fa ahidina ny vidin’ny vokatry ny tantsaha, fa mahalala izay heveriny fa tsy ahafaty antoka azy ny mpamboly sy ny mpiompy. Hita hatreto fa ny mpijirika no rangory fototry ny afo, izay tsy mijery afa-tsy ny tombony ho azy, ka mazana ny tantsaha tena mamokatra no tsy mety tafarina amin’ny asa izay ataony. Miandry ny tetika entin’ny fanjakana haingana isika mba hisoroana amin’ity krizy ara-tsakafo eran-tany ity, satria malalaka sy midadasika i Madagasikara, ary afaka mamokatra tsara ny vahoaka ao aminy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}