Velona ny sahotaka ao Ivato. Ny fandravana trano hitranga eny an-toerana izay atao tsy ho ela no nampifandona indray ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny kaominina Ivato Seranana sy Ivato Firaisana.
Raikitra ny hakandroaka ny zoma teo, nataon’ny avy ao amin’ny kaominina Ivato Seranana, izay milaza fa tokony hiala eo amin’ny biraony ankehitriny ny ben’ny tanàna ao Ivato Firaisana sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra. Olana efa nisy teo aloha io, saingy lovan’ireto ben’ny tanàna aty afara ireto indray. Io tany io, izay tany nomen’ny FLM ho an’ireto kaominina roa ireto.
Ny niandohan’ny olana dia ilay resaka fandravana trano eny an-toerana noho ny fandraisana ilay fivoriana an-tampony aty Afrika ny volana Jolay 2009. Nisy ny andian’olona nanao fitsirihana ireo faritra voalaza fa ho tratry ny fandravana ny herinandro lasa teo. Voalaza fa ny ben’ny tanàna ao Ivato Firaisana no nanao nampaniraka olona hanao io. Nanambara anefa ingahy ben’ny tanànan’Ivato Firaisina, Rasoloarisata Yves fa tsy manana alàlana hanao izany izy, fa ny ao anatin’ny kaominina hiadidiany ihany no azony hanaovana io. Eo no mampihitatra ny disadisa eo amin’ny samy ben’ny tanàna mifanila vodirindrina. Mifampihantsy mihitsy araky ny fomba fiteny, satria samy tsy manaiky ho gisitra eo anatrehan’ny vahoaka ny roa tonta. Ny vahoaka kosa etsy ankilany, dia mitaintaina toy ny saobakaka ambody riana. Voalaza fa tsy mbola voafaritra mazava ny trano ho ravana, saingy tsy maintsy hisy io. Ny ben’ny tanàna ao Ivato Seranana, Rasoamiaramanana Godfrey kosa dia tsy mitsahatra mamory olona hanazavany izao trangan-javatra eny antoerana izao.
Dia ho sanatria hifandrafy toy ny nataon’ny teo aloha indray ve ireto kaominina roa tonta ireto ? Toa mitombina ihany ny fanirian’ny maro ny hanambarana ho iray ity kaominina ity hialana amin’izao disadisa tsy ahitana fahombiazana izao. Ho hita eo ny tohiny.