Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 08h36
 

Malagasy

Antoko « Tambatra »

Rava ny fikasana hanao filan-kevitra nasionaly

samedi 28 juin 2008 | Hery A. |  359 visites 

Rava ny fivoriambe nokasain’ny antoko « Tambatra » hatao tao Fianarantsoa, talohan’ny Fetim-pirenena teo iny. Araka ny nambaran’ny mpitarika ny antoko, Beza Seramila, dia efa vonona ny mpikambana rehetra, ary efa tonga tany an-toerana avokoa ny mpikambana avy amin’ireo faritra 22. Talohan’ny fikarakarana dia efa nangataka alàlana tamin’ny fitondram-panjakana ny antoko ary nekena am-bava tamin’izany fotoana izany. Taorian’ny fangatahana an-taratasy nataon’ny fikambanana anefa dia tsy nomena alàlana indray ny antoko. Ny antony, dia nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Ati-tany fa tsy azo atao ny mivorivory mandritra ny fankalazana ny Fetim-pirenena.

Maneho ny alahelony ny antoko « Tambatra » amin’ny sakatsakana atao azy ireo. Nambaran’izy ireo fa fiainan’antoko no hivoriana izay nampitondraina ny anarana hoe « Filan-kevitra nasionaly » . Dia mbola hijery fotoana hafa indray izany ny antoko ka asa raha ho tanteraka ny fivoriana na tsia.