Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h19
 

Malagasy

Vatomandry

Sarona ny vazaha nangalatra hazo sarobidy

lundi 29 septembre 2008 | Hery A. |  988 visites 

Hazo sarobidy mihoatra ny 100 isa any ho any sy toaka gasy 150 litatra no saron’ny polisim-pirenena ao Vatomandry tamin’ny alin’ny zoma lasa teo. Araka ny vaovao azo dia nahazoan’ny polisy vaovao ny mety ho fandalovan’ireo hazo halatra sy toaka gasy ao Vatomandry ka nametraka ny paik’ady rehetra ny polisy. Voasava ny fiara kamiao nitondra ireto entana ireto. Tera-tany malagasy sy tera-tany frantsay iray no voarohirohy ho tompon’ny entana ka dia notanan’ny polisy any an-toerana. Tsy maintsy hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.

Ao anatin’ny fiofanana mahakasika ny fandriampahalemana indrindra ny polisim-pirenena ao Vatomandry amin’izao fotoana izao. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny hetsika ataony ny famongorana itony halatra hazo sarobidy itony. Efa ho lany tamingana mantsy ireny hazo sarobidy ireny ka raran’ny lalàna ny fanapahana azy.