Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Simba ny toe-tsaina

lundi 3 mars 2008 | Naivo kely |  1312 visites 

Io ary ilay efa nahiana. Miparitaka ny horonan-tsary vahiny, mahay maka lesona ny gasy. Arivo ariary dia efa mahazo horonan-tsary vahiny, ary samy misafidy izay heveriny fa mahamety azy ny tsirairay. Miainga amin’io ihany koa ny fiparitahan’ny kolontsaina vahiny eto Madagasikara.

Tao ho ao, dia nahitana endrin-javatra tsy mifanahaka amin’ny foto-pisainana malagasy. Firenena iza no sahy hangalatra ny taolam-balon’ireo razany ? Raha ny tarehi-marika dia ny gasy no firenena mpanary anaka indrindra. Tsy vitan’ny zaza mena vava ihany no ariana fa eo ny fisarahan-tokantrano ka samy maka ny zaza eo ankohonany ny ray sy ny reny.

Dia io iharahana mahita io ny famonoana olona saika isan’andro. Nofongorona tetsy sy teroa ireo razana izay nisy namono. Eny fa na hatramin’ny mpivady aza tsy mifandevim-belona intsony. Simba ny toe-tsaina napetraky ny razana tany tany aloha. Inona no vaha-olana ? Tsy hilaza isika fa ny fahantrana no maha-tonga io, saingy misy anjara tandrify lehibe ho entin’ny mpitondra fanjakana. Isan’io ny fanabeazana ny olona ahafantatra ny lalan-tsaina tokony handrindrana ny fiainana. Ny tsy fanomezana laka ny kolontsaina vahiny hitobaka be loatra eto. Ary hampiharina miainga ifotony ny fanabezana ny olom-pirenena hahay hitazona ny foto-pisainana teto amin’ity nosy ity. Saingy andeha amin’ny tokony ho izy ve ireo raha mbola mahantra ny isam-batan’olona ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}