Toa tsy malaza ny hirany raha vao tsy manao sisi-bola manao « matraquage » eny anivon’ny haino aman-jery ny mpanan-kanto. Isan’ny feo manelingelina ny sofin’ny maro ny mandre io fitarainana io. Fihetsika heverin’ny hafa ho kolikoly ny fidirana amin’io, saingy hita kosa fa mipetraka ara-dalàna eny anivon’ny haino aman-jery ny fandraisana izany vola izany. Diso ve ny fanaovana ity « matraquage » ity ? Isika rehetra no mamaly azy, fa raha ny hita aloha, dia tsy midika velively fa halaza ilay mpihira raha mandeha matetika any amin’ny radio na tele ny hirany. Tsarovy fa miankina amin’ny hatsaran’ny zava-kanto vokarinao ny hitiavan’ny mpanjifa ilay vokatra. Nahoana ny tarika Mahaleo no tsy manao io « matraquage » io, nefa mbola hankafizin’ny maro ? Ny hafa indray dia mihevitra fa namoaka hira i… dia iny koa fa mba mifaninana mamoaka. Ny feo sy ny tonony amin’io tsy tenenina intsony. Toa tsy misy intsony ilay fikarohana fa may ny hiakan-tsehatra fotsiny. Iza no tsy mahalala, fa misy anie mahavita mamoron-kira folo ao anatin’ny iray andro e. Mihazakazaka avy eo mba manao ilay « matraquage ». Tsy izay hira rehetra tonga eny anivon’ny radio na tele anie no tsy maintsy avoaka fa misy ihany koa ny sivana atao e. Mahaiza mikaroka fa tian’ny olona foana ilay talenta rehefa voakajy tsara. Tsy ny mpanan-kanto no hitady ny mpanjifa amin’io, fa ny mpanjifa indray no hitady ilay vokatra. Sa tsy marina izany ?
Sisi-bola
vendredi 15 février 2008 |
| 641 visites