Ho taonan’ny asa ity taona 2008 ity. Io no teny filamatra indray taorian’ny filazana fa hananganana ny rindrina taorian’ny fametrahana ny fototra. Nidina ifotony toy ny tany Toamasina ny fitondrana ka hatao ho renivohitry ny toe-karena ny faritry Toamasina. Namboarina ary ho tokanana tsy ho ela ny tsena sy ny làlana any amin’io faritra io, ary tsy ny mponina ao ihany no ahazo tombony, fa ny firenena manontolo, satria firenena iray isika. Tara ihany ny fanarenana ity faritra ity, kanefa aleo tara toy izay tsy misy. Novàna ny fifanarahana teo amin’ny fanatanterahana ny PIC tany Taolagnaro, noho ny alasafay teo amin’ny fanamboaran-dàlana nataon’ny orinasa iray nahazo ny tolo-bidy. Nandalo ny rivo-doza « FAME » izay namotika faritra maro toy ny tao Besalampy, ary nisy ihany koa ny namoy ny ainy vokatry io rivo-doza io. Tonga ny filoha Zambianina sady lohany eo anivon’ny SADC. Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ka isan’ny goavana tamin’izany ny famatsiana angovon’aratra. Hajoro ny vaomiera manokana hanara-maso ity fifanarahana ity, ary heverina fa hanana tombony lehibe eo amin’ny lafiny toe-karena i Madagasikara. Ny resaka seranan-tsambo ao Toamasina izay hapetraka ho lehibe faha-roa aty Afrika dia efa zava-dehibe ara-toekarena ho an’ny Malagasy.
Soa fa teo ny vahiny nanampy betsaka antsika, satria mbola marefo ny toe-karena eto amin’ity nosy ity. Raha tsy te-hiantehitra amin’ny vahiny dia « miasa tsara, miasa mafy » !