Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Antoko mpanohitra

Tafiditry ny jiolahy politika

lundi 30 juin 2008 | Naivo kely |  745 visites 

Na maro aza ny tetika tokony ho atao, dia mandamoka hatrany izany. Io no tsapan’ny mpanohitra eto amintsika, ka tsy mahagaga hoy izy ireo, raha maro aminay no zary tafiditra am-ponja tsy fidiny.

Misy ny Jiolahy Politika, izay miezaka mamotika ireny hevitra tapaka ao anaty fivoriana ireny. Tsy lasa lavitra ny tohiny, dia efa mivily lalana. Ao ihany koa no milaza fa mpanohitra, nefa hita mibaribary, fa mialokaloka any amin’ny fitondrana. Inona no tsy asahian’izy ireny milaza fa mpiray petsapetsa amin’ny mpitondra izy ireo ? Sa rehefa misy tsy fahombiazan’ny mpitondra, dia hanambara, fa izahay anie ka mpanohitra e ? Hatreto aloha, dia samy maka ny lalan-kizorany ny mpanohitra rehetra, ary azo antoka fa tsy hitovy mihitsy ny lalan-kizorana, na dia iray aza ny fomba fijery, dia ny tsy fahombiazan’ny mpitondra mamaha ny olan’ny vahoaka, hoy ihany ity mpitarika Politika niatrika ny fikaonandoham-pirenena natao teny Andoharanofotsy taona maro lasa izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}