Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Tandrimo

vendredi 2 novembre 2007 | Naivo kely |  596 visites 

Fanina ny mpifidy ary milofika ao anatin’ny hafanam-pony manoloana, savorovoro mitranga ataona antoko politika isaky ny fifidianana izao. Apetraky ny antoko ny kandida arotsany, saingy tsy mahafa-po ny eny ifotony, ka io miteraka gidragidra lava izao isaky ny fifidinanana. Anaran’olon-kafa tsy faheno ary tsy hita teny anivon’ny fiaraha-monina hatramin’izay no indro fa mirehoka ho nahazo ny fon’ny birao foibe ka tsy maintsy ho enken-teny ho an’ny vahoaka izay mihevitra ho mpikambana sy mpanohana. Mihodikondina toa tandrimo ny raharaha ka tsy mahagaga raha mitakemotra ny mpifidy andeha handatsa-bato noho ireo tsy fahaiza-mandamina anatiny ireo. Koa leo politika ny olona sa ny politika entin’ny mpitantanana no tsy alehany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}